1 Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin段 Estera, vadin地y mpanjaka, ho ao amin地y fanasana. 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin段 Estera teo am-pisotroan-divay tamin地y andro faharoa: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin地y mpanjaka ? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao ? Fa na dia hatramin地y antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. 3 Dia namaly Estera, vadin地y mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao Ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako Ary ny fireneko araka ny fangatahako; 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina Ary haripaka; fa raha t濾iny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin段 Estera, vadin地y mpanjaka, hoe: Iza moa izany, Ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory ? 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan地y mpanjaka sy ny vadin地y mpanjaka Hamana. 7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin地y trano; Ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin段 Estera, vadin地y mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin地y mpanjaka azy. 8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin地y trano ho ao amin段lay efa nisotroany divay teo, Ary Hamana sendra niapoka tamin地y farafara nandriandrian段 Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin地y mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io ? Raha vantany vao naloaky ny vavan地y mpanjaka izany teny izany, dia nsy nanarona ny tavan段 Hamana. 9 Ary Harbona, tsindranolahy anankiray izay teo anatrehan地y mpanjaka, dia nilaza hoe: Indro miorina eo akaikin地y tranon段 Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon� i Hamana hanantonany an段 Mordekay, ilay niteny soa ho an地y mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantony amin段o izy. 10 Ary Hamana dia nahantony tamin段lay hazo efa natsangany hanantonana an段 Mordekay. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran地y mpanjaka.