1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran段 Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an段 Vasty sy izay efa nataony izy Ary ny efa nitsarana azy. 2 Ka dia hoy ireo zatovon地y mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy; 3 Ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin地y isan-tokony eran地y fanjakany rehetra, dia aoka hovorin段reny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin地y fehin段 Hegay, tsindranolahin地y mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; Ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy; 4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an段 Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony. 5 Ary nisy Jiosy anakiray tany Sosana renivohitra, Mordekay no anarany, zanak段 Ja�ra, zanak段 Simey, zanak段 Kisy, avy tamin地y taranak段 Benjamina, 6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin地y babo izay nentina niaraka tamin段 Jekonia, mpanjakan地y Joda, izay nobaboin段 Nebokadnezara, mpanjakan段 Babylona. 7 Ary izy nitaiza an段 Hadasa (Estera izany), zanakavavin地y rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; Ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, Ary noraisin段 Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny. 8 Koa nony re ny tenin地y mpanjaka sy ny lal瀟y, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho amin地y fehin段 Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon地y mpanjaka koa Estera ho amin地y fehin段 Hegay, mpifehy ny vehivavy. 9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny Ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon地y mpanjaka; Ary nafindrany ho ao amin地y fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny. 10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan段 Mordekay mba tsy hilaza izany izy. 11 Ary Mordekay nitsangatsangana isan-andro teo anoloan地y kianjan地y tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran段 Estera sy izay anaovana azy. 12 Ary nony tonga ny andro hidiran地y zazavavy tsirairay isan-andro tany amin段 Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin地y folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin段zay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin地y diloilo nisy miora, Ary enim-bolana tamin地y zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan地y vehivavy), 13 Koa nony hiditra ao amin地y mpanjaka ny zazavavy tamin段zany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin地y tranom-behivavy ho ao an-tranon地y mpanjaka. 14 Tamin地y hariva no nandeha izy, Ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran地y vehivavy, hop amin地y fehin段 Sasegaza, tsindranolahin地y mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; Ary tsy mba niditra tao amin地y mpanjaka intsony izy, raha tsy tian地y mpanjaka, ka voatonona ny anarany. 15 Ary rehefa tonga ny anjara andron段 Estera, zanakavavin段 Abihaila, rahalahin-drain段 Mordekay, izay efa nandray azy ho zanani-vavy, hidirany ao an-tranon地y mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin段 Hegay, tsindranolahin地y mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason地y olona rehetra izay nijery azy. 16 Dia nentina ho ao amin段 Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon地y fanjakana, tamin地y volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin地y taona fahafito nanjakany. 17 Ary tian地y mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an段 Vasty. 18 Ary ny mpanapaka nanao fanasana lehibe ho an地y mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan段 Estera izany; Ary nanendry andro fifaliana ho an地y fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen地y mpanjaka. 19 Ary raha nisy virijina novoriana fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin地y mpanjaka Mordekay. 20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan段 Mordekay azy ihany; fa ny tenin段 Mordekay dia nankatoavin段 Estera tahaka ny fony izy mbola nitaiza azy ihany. 21 Tamin段zany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin地y mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan地y tsindranolahin地y mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an段 Ahasoerosy mpanjaka izy. 22 Ary fantatr段 Mordekay izany ka nambarany tamin段 Estera, vadin地y mpanjaka; dia nambaran段 Estera tamin地y mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain段 Mordekay azy. 23 Ary rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin地y hazo izy roa lahy; Ary nosoratana tao amin地y bokin地y tantara teo anatrehan地y mpanjaka izany.